Ritz W. Rakotomalala

amin'ny teny vitsivitsy


Mpitendry piano, mpamoron-kira, mpitariaka amboarampeo sy orkesitra, teratany malagasy, ny maha-tokana azy ny mozika dia ny fitariana amboarampeo. Ity misy topimaso momba ny toetrany amin'ny fanontaniana vitsivitsy.


Inona no dikan'ny ilay "W" hitantsika amin'ny anaranao?

Io no anarana faharoa nomena ahy, dia Weljohn (Oelijaona), ho fahatsiarovana any anadahindreny be ko izay nody mandry nony mbola zaza. Ary tena manandanja amiko izy io!


Ahoana no toetranao?

Izaho dia karazan'olona mino fa mbola azo itokisana ny olombelona, na dia maro aza ny porofo mifanohitra amin'izany isan’andro. Olona mahatsiaro mitsangana raha misy mijoro ao anaty metro, na dia misy toerana hipetrahana malalaka aza. Olona mbola mino fa fitaovam-pampihavanana mahery vaika ny mozika… Raha fintinina, be fahatokisana nefa mazava saina.

Iza no ainga entinao amin'ny famoronana mozika ?

Mety ho loharanon-tsindrimandry amin’ny famoronana mozika ireo mpamoron-kira lehibe sasany : Francis Poulenc noho ny fahasahiany, Thierry Machuel noho ny fahatsorany, John Williams noho ny fahaizany mamorona, Bach noho ny fahendreny faratampony, Fauré noho ny fihetseham-pony amin’ny feo, ary Schumann noho ny toetrany manjavozavo… Raha ny marina dia izy rehetra "Lehibe" amin’ny lafiny samihafa. Tsy ny hanahaka azy ireo anefa no tanjona, fa ny hanolotra zavatra hafa amin’ny fotoanantsika.


Iza no mpamoron-kira tianao indrindra ?

Tsy afaka mamaly izany fanontaniana izany aho. Samy mahay avokoa izy rehetra, nefa dia hafa tanteraka. Ohatra, Beethoven no hitako ho tsara indrindra amin’ny lafiny symphonie, nefa tsy izy no ankafiziko indrindra. Mozart dia manam-pahaizana faratampony, fantatsika rehetra fa sarotra ny hahomby amin’ny mozika raha tsy nandalo tamin’ny azy. Kanefa tsy izy no ankafiziko indrindra. Fa Bach kosa dia manam-pahaizana ara-panahy, natao ho an’Zanahary ny mozika noforoniny, nefa tsy ilaina akory ny mino mba hahatakarana azy. Efa nisy fotoana aza izay nanaovako safidy tsy hiara-miasa amin’olona tsy nahatsiaro firaisana amin’i Bach. Raha fintinina… heveriko fa tsy afaka manana "mpamoron-kira tiana indrindra" akory ny tena. Afaka mandany telo volana mihaino mozika baroka frantsay aho, ary avy eo, telo volana hafa mihaino Wagner sy Berlioz.

Ahoana no fomba famoronanao mozika ho an’ny amboarampeo?

Amin’ny mozika chorale, tena zava-dehibe ny fifidianana ny lahatsoratra. Izy no mibaiko ny zava-drehetra: ny gadona, ny feo manodidina, ny fihetseham-po, ary na dia ny feonkira aza. Tsy dia manoratra tononkira ho an’ny asako loatra aho, fa na maka lahatsoratra efa misy, na manontany namana hamorona ho ahy.

Rehefa voafidy sy takatra ilay lahatsoratra, dia ilaina ny manasongadina ilay hira avy amin’izany, ary manomboka mitsapa karazana fifangaroan-kira. Io no fotoana mahafinaritra sy manaitaitra indrindra. Ohatra, ny safidin’ny acorda dia mety miova arakaraka ny votoatin’ilay lahatsoratra: raha "fitiavana" no soratanao, dia mazàna isika mampiasa feo malefaka sy mazava, ary raha "fahafatesana", dia matetika atao maizina sy mangatsiaka. Fa maninona raha andramana ny mifanohitra amin’izany?

Ritz, mino an’Zanahary ve ianao?

Manontany momba ny resaka tena manokana ianao eto. Noho izany, ny zavatra efa fantatr’ireo mahafantatra ahy no ho lazaiko: Kalvinista aho (fanamarihana: protestanta). Sarotra amiko ny hanonona hoe afaka mamorona na mihira mozika masina an’i Bach, Haendel, Mendelssohn, sy ny hafa aho, nefa tsy manana fifandraisana na dia kely amin’Zanahary aza.

Mazava ho azy fa fijery manokana io, ka azo iadian-kevitra. Saingy... aza manery ahy hiteny mihoatra noho izao!😊

Inona no fototry ny fahasarotana amin'ny famoronana mozika ?

Rehefa mamorona mozika, dia misy foana ilay fakam-panahy hamorona hira "mety amin’ny rehetra", izay manintona olona maro, indrindra amin’izao vanim-potoana feno zava-manaitaitra sy fahafinaretana mora azo izao. Kanefa, izany no mety hahatonga antsika hiala amin’ny maha-izy antsika amin’ny lafiny mozika. Raha mamorona anefa isika, dia satria manana hafatra tiana ampitaina, na dia midika aza izany fa mety tsy ho takatry ny olona na koa hoe ho voahodidin’ny mpisolelaka. Raha ny hevitro, ny fahasahiranana lehibe indrindra dia tsy mifamatotra amin’ny teknika na aingam-panahy fotsiny, fa amin’ny tahotra ny hafatra izay entin’ny mozika sy ny fahatakarana tsy azo ialana avy amin’ny mpihaino. Zany milaza ny tenany ho mpamoronkira izany dia midika hoe mialana amin’ny fanetren-tena, saingy tsy tokony ho lasa amin’ny fireharehana. Fandanjalanjana sarotra izany.


Inona no tsaroana ho traikefa nahafinaritra indrindra teo amin'ny sehatra ?

Misy maromaro. Ohatra, ireo fampisehoana nataoko taminy izaho mbola tao anaty amboarampeo tanora tamin’ny faha-20 ka hatramin’ny 25 taonako. Amin’ny amboarampeo toy izany, dia matetika ny fifankatiavana sy ny finamanana no mampiray, ary mbola vao mainka mihalehibe izany amin’ny alalan’ny mozika. Izany fihetseham-po madio sy manokana izany no mamela fahatsiarovana lalina, ka ezahina hohalavaina mandritra ny androm-piainana.

Kanefa, raha misy fahatsiarovana iray tokony hasongadina, dia ilay fotoana nitariako ny Saint-Jean of Damascus, sanganasan’i Sergueï Taneiev, izay mbola tsy dia fantatra loatra. Tena nahery vaika sady feno fihetseham-po ilay asa, ka heveriko fa mbola tsy niaina fampisehoana tahaka izany aho hatramin’izay. Nifarana tamin’ny feo maivana sy mangingina nohirain’ny amboarampeo a cappella izy io, toy ny feon’Zanahary mandefa fiadanana tsy azo lavina. Raha sendra nihemotra tsikelikely ny tanako nanondro ny fiafaran’ilay hira, dia nangina tanteraka ny efitrano, tsy nisy nihetsika na kely aza nandritra ny iray minitra, noho ny hafanana nateraky ny mozika. Avy eo, tapak’andro tahaka ny tsy manam-pahataperana ny tehaka, nisy aza ireo mpihira izay tsy nahahetsika, tototry ny fihetseham-po. Tsy hohadinoina izany.